Efa ho herintaona izao no nametrahana ny paikadimpirenena iadiana amin’ny kolikoly vaovao eto Madagasikara izay natao ho ampiharana ny taona 2025 hatramin’ny taona 2030. Taona iray izay no lasa ary tsy mbola hita taratra loatra izay ny ny finiavana avy amin’ny mpitondra teo aloha ny finiavana hiroso sy hametraka ireo fepetra ahombiazana amin’ny fanatanterahana azy.
Nanomboka ny faran’ny volana septambra teo dia niaraha-niaina ny hiakan’ny tanora sy ny olompirenena manoloana ny fahalovana sy ny tsy fanjarian’ny rafim-panjakana sy ny fisitrahan’ny mpiara-belona ny zo sy fahafahana na dia ireo fototra indrindra aza. Tsiahivina fa ny zo fototra dia ananan’ny olombelona rehetra tsy anavahana na iza na aiza ary andraikitry ny fanjakana tanteraka ny fampistrahana izany ny vahoakany na tsy misy mitaky sy miteny aza.
Lohahevitry ny fankalazana amin’ity taona ity ny hoe “Uniting with Youth Against Corruption : Shaping Tomorrow’s Integrity” fiarahana amin’ny tanora hanohitra ny kolikoly: fandrafetana ny fahitsian’ny ampitso ». Arak’izany mila mamaly ny fenitra takian’ny tanora ankehitriiny ny herijika’ny ady atao amin’ny kolikoly fa tsy hionona amin’ny fiheveran’ny olon-dehibe na ny mpitondra intsony fotsiny.
Vokatra ny takian’ny tanora ankehitriny fa tsy fihetsiketsehana, asa fa tsy kabary. Ankehitriny isika efa manana paikady vaovao misy tanjona manokana 3 mifandraika amin’ny fitakiana sy hetahetan’ny tanora ny fiadian’ny tsimatimanota :
- Fanafoanana ny tsimatimanota,
- Fiaraha-mientana amin’ny ady amin’ny kolikoly,
- Fampiroboroboana kolotsain’ny fahitsiana.
Ho an’ny Fiadidian’ny Repoblika
Takianay tsy misy hata-kandro ny firosoana amin’ny fampivoarana sy fanovana ny lalàna na andinin-dalàna rehetra izay manasarotra na misakana fanenjehana ara-pitsaràna ka manjary mikolokolo ny fisian’ny tsimatimanota eto amin’ny tany sy ny firenena. Voalohany amin’izay ny fampivoarana ny CED de la fonction publique, ny fanamafisana ny fanenjehana ny kolikoly ara-nofo, ny fanafoana ny fahazoan-dalana ho adihadiana sy ho enjehin’ny fitsaràna. Ny fanitarana ny didy hitsivolana momba ny ARAI mba ahafahany mihatra amin’ny heloka ara-bola sy ara-toekarena, ny fanondranana harem-pirenena ary ny criminalité transnationale organisée. Eo ihany koa ny fametrahana ny lalàna miaro ny mpitoroka, mpanome vaovao ary ny mpanaitra ny fiaraha-monina mba tsy atahoran’ny olona mitoroka sy mijoro amin’ny marina. Hamafiso sy ampiasao amin’ny heriny manontolo sy amin’ny tokony ho izy ny rafitra efa misy fa tsy hamorona hafa foana.
Ho an’ny Governemanta sy ny Primatiora
Ny Praiministra Lehiben’ny Governemanta no voatendry ho filoha mpitarika ny komity mpitarika ny fanatanterahana ny paikady iadiana amin’ny kolikoly. Tompon’andraikitra tanteraka izay olona rehetra mitana io andraikitra io amin’ny zava-bita na tsia mahakasika ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara. Taona voalohany fanatanterahana ny paikady vaovao ny taona 2025 kanefa tsy mbola mitsanga ny vaomiera isan-karazany (fanatanterahana, fanaraha-maso sy tombana ary fifanakalozana) ary tsy mbola mipetraka tsar any drafi-panatanterahana azy. Maro ireo fepetra afaka raisina avy hatrany voasoritra anatin’io paikady io fa ny finiavana tena hiroso no tsy misyu teo aloha aloha teo. Takianay ny fanamafisana ny fangaraharan’ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny antanan-tohatra rehetra. Fanavaozana ny fitsipitondra-tenan’ny mpiasampanjakana mba hanamafy ny tamberin’andriakitra amin’ny vahoaka tompoiny sy ny fanaovana tompon-trano mihono ny olompirenena. Ny seraseran’ny tompon’andraikimpanjajakana dia tokony hitsinjo mialoha izay mety fanontaniana sy firoroan-tsain’ny olona fa tsy mionona amin’ny famonoana afo intsony. Mila miverina mitompo ny raharaham-pirenena ny olompirenena Malagasy rehetra na kely na lehibe. Beazo ny vahoaka fa aza maika manameloka sy manome tsiny.
Ho an’ny Solombavambahoaka mandrafitra ny Antenimieram-pirenena
Omen’ny lalampanorenana andraikitra manokana ianareo amin’ny ady amin’ny tsimatimanota eto amin’ny firenena Malagasy. Nandritry ny repoblika faha-4 iray manontolo hatramin’izao dia tsy mbola manana na nandany fitsipi-pitondrantena mihitsy. Ankoatr’izay dia tetibola efa mitentina miliara no neken’ny solombavambahoaka natokana ho an’ny Fitsarana avo raha toa ka tsy misy na fanenjehana na iray monja aza nahazo fankatoavana avy amin’ny fivoriamben’ny Antenimieram-pirenena tao anatin’io fehim-potoana io ihany.

Ho an’ny rafitra miady amin’ny kolikoly
Fotoana izao sy ho amin’ny 4 taona ho avy hijoroana amoin’ny antompisianareo. Maro ny sedra sy dingana nodiavina nahafahana nametraka anareo ho angady ahazoam-bokatra amin’ity ady ity. Maro ihany koa ny sompatra sy tetika mba handemena sy ampadamoka ny ady. Mbola eto isika ary mbola be ny miandry. Andao hifanome tanana sy hifanohana hampandresy ny ady ka hampitombo ezaka amin’ny fandresen-dahatra ny vahoaka fa indrindra amin’ny fanazavana ny fomba fiasa manoa ny tany tan-dalàna ary koa manazava ny sakana misy ara-drafitra izay manembana ny ezaka atao. Tsy misy afa-tsy fangaraharana no ahatongavana amin’izany mba hisian’ny fifampitkosana. Ny ahiahy tsy ihavanana velively.
Ho an’ny tanora sy ny olompirenena
Manainga antsika rehetra hampitombo hatrany ny fahamailoana sy ny fahamalinana ka hiambina an’izay rehetra mivoana amin’ny lalàna sy ny rariny. Ny fisian’ny rafitra miady amin’ny kolikoly dia tsy maha afaka andriakitra velively ny rafi-panjakana rehetra amin’ny ady amin’ny kolikoly. Tondro tokana ihany izay ireo raha tsy manao ny anjarany izy ireo. Hitantsika izao fa hondinihana eny amin’ny parlemanta ny volavolan-dalàna ahafahana mametraka mangarahara amin’ny fitantanan-draharahampanjakana ka ahafahantsika mahazo mora kokoa antontan-kevitra sy antontan-taratasy mifandraika amin’izany. Ilainatsika ihany koa ny fampandaniana lalàna toy ny fiarovana ny mpanome vaovao sy mpiroka kolikoly sy tsy fetezana; eo ihany koa ny mahakasika ireo andrimasom-pirenena. Andao isika hiara hitaky an’ireo ka ho tapitra hatreo ny fanararaotana ny tsy fahafantaran’ny sarabambembahoaka nahafahan’ny mpambotry firenena nanao ny nataony hatramin’izay. Tsy misy intsony izay tafenina ka ho takona.
Fotoana manokana ahafahana mandinika ireo voalaza rehetra ireo ny androany, ary afaka tohizina izany any amin’ny fikaonandoham-pirenena. Irianay raha ny famahana olana sy fahazoam-bokatra marina eo amin’ny sehatra rehetra ho tombontsoan’ny firenena sy ny Malagasy no ifantohana anatin’izany. Fijery tsy miangatra sy hevitra voalanjalanja tsara no lalana amin’izany. Mila maka lesona amin’ny tantara isika mba tsy ivarilavo ao aoriana ao.
Natao teto Antananarivo, ny 09 desambra 2025

