FANAMBARAN’NY FIRAISAMONIMPIRENENA sy IREO VONDRONA TANORA

Lalàna mifehy ny fisitrahana vaovao sy atontan-kevitra ho an’ny daholobe (loi sur l’accès à l’information à caractère public), ny Lalàna fiarovana ny mpampaneno lakolosy (loi sur les lanceurs d’alerte), ary ny lalàna momba ny fiarovana ny mpiaro ny zon’olombelona (loi sur les défenseurs des droits humains): Fepetra tsy azo ihodivirana amin’ny fahombiazan’ny Fanavaozana.

Antananarivo, 23 jolay 2026

Efa 19 taona izao no namolavolana ny lalàna momba ny fahazoana misitraka vaovao ho an’ny daholobe (LAICP na loi sur l’accès à l’information à caractère public),) eto Madagasikara, saingy nisedra olana hatrany izany teo  amin’ireo fitondrana nifandimby. Noho ny ezaka niarahana tamin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia hatramin’ny fiandohan’ity fanavaozana ity, dia efa tafiditra eny anivon’ny Antenimieram-pirenena ny volavolan dalàna iray izay niarahana nanaovana fikahonan-doha. Nikatso anefa ny ezaka satria tsy hita ny marimaritra iraisana nandritra ny asam-baomiera (travaux de commission), indrindra fa mikasika ny pitsopitsony mifehy ny fivoriana tsy mamoha varavarana (huis clos).

Fotoana tokony nararaotina iny fivoriana ara-potoana teo iny, saingy tsy nahatanteraka izany i Madagasikara. Na izany aza, mbola azo arenina izany mandritra ny fivoriana ara-potoana kasaina hatao amin’ny volana Oktobra ho avy izao. Zava-dehibe loatra ny hanomezan’ireo solombavambahoaka lanja manokana ity raharaha ity. Torak’izany koa, na dia an’ny Governemanta aza ny fitondrana ny fanapahan-kevitra, dia tsindrina mafy ny tokony handraisan’izy ireo sy hankatoavan’ny Parlemanta haingana ilay volavolan-dalàna momba ny fiarovana ny mpampaneno lakolosy (loi sur les lanceurs d’alerte),).

Eo koa ny filana maika ny hankatoavany Governemanta sy ny Parlemanta lalàna momba ny fiarovana ny mpiaro ny zon’olombelona (loi sur les défenseurs des droits humains) ; izay efa voasoratra anaty EPU na Examen Périodique Universel de Madagascar-Janoary 2025 tany Genève ; amin’ireo tranga ankehitriny, amin’ny fankana ankeriny, fanjavonana sy famonoana ankizy, tanora, olon-dehibe. Ilaina ny mametraka ny lalana miaro ireo mpiaro zon’olombelona izay miantoka ny hanomezana rafitra tsara voafaritra sy azo ampiharina eo amin’ny sehatra ara-tsaina, ara-drariny, ary ara-tsosialy ary hanomezana antoka fa hisy fanadihadiana lalina hatrany, tsy hijanona amin’ny fisamborana ny mpanao ratsy fa hikaroka koa ireo mpanome baiko any amin’ny ambony indrindra amin’ny raharaha.

Manoloana izany, dia ireto ny hevitra ijoroan’ny Firaisamonimpirenena sy ireo vondrona tanora :

●     Fampifanarahana amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (PGE-R): Ny ady amin’ny kolikoly no iray amin’ireo rehareha sy antom-pijoroan’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ankehitriny. Ny fankatoavana an’ireo lalànateloireo :

○    ny lalàna momba ny fahazoana misitraka vaovao ho an’ny daholobe (LAICP na loi sur l’accès à l’information à caractère public)

○     ny fiarovana ny mpampaneno lakolosy, ary

○     ny lalàna momba ny fiarovana ny mpiaro ny zon’olombelona (loi sur les défenseurs des droits humains) no porofo mivaingana sy ohatra velona hitarafana ny finiavan’ny Fanjakana hiroso marina amin’ny haitondra tsara tantana ho an’ny Fanavaozana

●     Fepetra tsy azo ihodivirana amin’ny fisorohana ny kolikoly : ireo lalàna telo ireo no fototra iaingana. Ny fahazoana vaovao momba ny raharaham-panjakana no fitaovana voalohany ahafahana misoroka sy miady amin’ny kolikoly. Ny fiarovana ny mpampaneno lakilosy sy ireo mpiaro ny zon’olombelona kosa no antoka feno hamporisihana ny olona hitoroka sy hanaparihaka ny fandikan-dalàna mba hamongorana ny tsimatimanota.

●     Fampijoroana ireo rafitra eo amin’ny lafiny ara-dalàna : Ny rafitra rehetra sy ny paikady kasaina hatsangana dia tsy maintsy miorina amin’ny lalàna manan-kery, ary tsy ho tanteraka izany raha tsy lany sy manan-kery ireo lalàna fototra ireo. Raha tsy misy ireo lalàna ireo dia tsy afaka mivezivezy malalaka ny vaovao ilain’ny daholobe, tsy afaka manara-maso ny asan’ny solontenany ny olompirenena, ary tsy misy fiarovana ireo sahy miady ho an’ny rariny.

Manentana ny Parlemanta sy ny Governemanta ny Fikambanana nanao sonia ity fanambarana ity mba hampiseho fandraisana andraikitra feno mandritra ny fivoriana ara-potoana amin’ny volana Oktobra, mba hampijoroana ny mangarahara ho hisitrahan’ny olompirenena rehetra eto Madagasikara ny zony.

ONG TOLOTSOA