Fanombohana ofisialy ny dinika misokatra sy mahaleotena

FANAMBARANA OFISIALY AVY AMIN’NY FIARAHAMONIMPIRENENA
Fanombohana ofisialy ny dinika misokatra sy mahaleotena:
Dingana voalamina manerana ny faritra 24 hitondrana ny hetahetan’ny olom-pirenena ao anatin’ny fanavaozana ny firenena

Antananarivo faha 25 martsa 2026

Raha mbola miatrika vanim-potoana vaovao feno korontana ara-politika i Madagasikara taorian’ny zava-nitranga tamin’ny volana oktobra 2025, ireo Fikambanan’ny Fiarahamonimpirenena, izay manolo-tena ho amin’ny fanjakana tsara tantana sy ny demokrasia, dia mampatsiahy fa ny dingan’ny Fanavaozana (Refondation) dia tokony hiorina voalohany indrindra amin’ny fanajana ireo soatoavina fototra toy ny mangarahara, ny tamberin’andraikitra, ny tsy fitanilana ary ny fampandraisana anjara ny rehetra. Ao anatin’izany toe-javatra izany, dia manamafy izahay fa dinagana fanavaozana dia tokony ho tafiditra ao anatin’ny rafitra mazava sy azo itokisana, mitodika amin’ny fanavaozana maharitra ny firenena, ary tena mifototra amin’ny hetahetan’ny olompirenena.

Amin’izany, ny fiarahamonimpirenena dia manasongadina fa miankina amin’ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny fomba tena mahomby, tsy manavaka ny sokajin’olona rehetra, amin’ny dingana rehetra, ny fahombiazan’ity vanim-potoana manan-danja ity. Izany dia mitaky indrindra ny fametrahana rafitra fifampidinihina ho an’ny Tetezamita, izay mamaritra mazava ny laharam-pahamehana, ny andraikitry ny mpisehatra ary ny rafitra fanaraha-maso sy tamberin’andraikitra, sady miantoka ny fanajana ny maha vonjimaika ny Tetezamita sy ny fanamafisana ny fanjakana tan-dalàna.

Ao anatin’io fironana io ihany, dia ampahatsiahivinay ireo ny maha-zava-dehibe ny fanatanterahana dinika misokatra, tsy manavaka ny sokajin’olona rehetra, ahafahana mandray ny hetahetan’ny olom-pirenena lalina sy mametra miaraka ny laharam-pahamehana amin’ny fanavaozana ary koa ny fototra iorenan’ny rafitra politika miantoka ny zo, ny fahalalahana ary ny fampandrosoana ho an’ny rehetra.

Misaotra ny Ministera misahana ny Fanavaozana eo anivon’ny repoblika izahay noho ny fisokafana amin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny finiavana hampiditra ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ny dingana. Na izany aza, manamafy izahay ny maha-zava-dehibe ny hiantohana ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra amin’ny dingana rehetra, ary mampatsiahy fa na dia tsara aza ny hetsika efa ataon’ireo rafitra samihafa amin’ny fitariahna dinika, dia ilaina ny fandrindrana sy fametrahana rafitra mazava ho an’ireo dinika sy fivoriana ireo, miaraka amin’ny fomba fiasa, tetiandro ary tanjona mazava sy fantatry ny rehetra. Manantena izahay fa ny Praiminisitra vao voatendry dia hisokatra amin’ity antso ity ary handray izany ho laharam-pahamehana.

Ireo Fikambanan’ny Fiarahamonim-pirenena, mahatsapa ny andraikiny ary tapa-kevitra hanatanteraka ny andraikiny amin’ny fiarovana ny zo sy ny tombontsoan’ny olompirenena, dia manamafy ny ezaka ataony mba hahatonga ity Fanavaozana ity ho dingana lehibe mankany amin’ny demokrasia iarahan’ny rehetra mandray anjara sy mitondra fampandrosoana ho an’ny tsirairay. Noho izany:

  • Ny fiarahamonimpirenena malagasy dia manatanteraka dinika misokatra, tsy manavaka ny sokajin’olona rehetra, miantoka ny fandraisan’anjaran’ny tanora, ny vehivavy, ny olona manana fahasembanana, ny mpisehatra avy any ambanivohitra ary ireo singa samihafa ao amin’ny fiarahamonim-pirenena.
  • Ny dingana dia tarihin’ny komity mpitarika ahitana fikambanana sy sehatra 30 avy amin’ny fiarahamonimpirenena. Ity komity ity dia tompon’andraikitra amin’ny:
    • fandrindrana ny fanatanterahana ny dinika manerana ny faritra 24;
    • fiantohana ny mangarahara sy ny fahatokisana mandritra ny dingana rehetra;
    • fanangonana sy fandrindrana ireo hevitra sy tolo-kevitra avy any amin’ny faritra.
  • Ny komity dia miasa amin’ny fahaleovantena tanteraka, tsy misy fifandraisana mivantana amin’ny rafitra ara-panjakana, ary ao anatin’ny fanajana ny fitsipiky ny fahaleovantena, ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena ary ny tombontsoa iombonana.
  • Ny dinika ataon’ny fiarahamonimpirenena dia mikendry ny hanamafy ny fandraisan’anjaran’ny fiarahamonimpirenena amin’ny fanapahan-kevitra mikasika ny fitantanana ny Tetezamita sy ny Fanavaozana ny firenena. Ireo tolo-kevitra hivoaka avy amin’izany dia hampiasaina:
    • hanohanana ny dinika hotanterahin’ny ministeram-panjakana eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika misahana ny Fanavaozana miaraka amin’ireo mpisehatra rehetra, na eny amin’ny faritra na eo amin’ny sehatra nasionaly;
    • hanentanana sy hampivondrona ireo fikambanan’ny fiarahamonimpirenena manodidina ny vina iombonana momba ny anjara toerana lehibe ananany, amin’ny fanavaozana mahomby, izay hitondra vokatra tsara ho an’ny fampandrosoana ny firenena sy hoan’ny rehetra.

Ny Fiarahamonimpirenena dia mijoro ho mpandray andraikitra mavitrika sy miaro ny Tetezamita tsara tantana, tsy manavaka ny rehetra ary mitondra ho amin’ny hoavy iombonana miorina amin’ny rariny, ny mangarahara ary ny fandraisan’anjaran’ny rehetra.

Ny Komity Mpitarika